Paroles de Havaoziko Ny ENY

Ambondrona
Na dia fantatro aza fa
Efa any aminao any
Ity fitia nolalaina
Nifampizarana
Dia…
Indro hamafisiko indray
Ho an’ny ampitso,
Rahatrizay
Hamoa izay novolena,
Ho koloina ny efa
Nekena
Tsy an-tery ny ahy fa
Feo sy bitsiky ny fo
Hanome aina indray,
Hamoha ny soa taloha
Havaoziko ny ‘’ENY’’,
Izay notànako
Hanampiako ny teny,
Ef’iny ny foko
Nomeko mangina,
Aharitra hatrany
Fitia : ‘’nifaliana,
Ndraindray tomany’’
Izay vita no tantara
Fa ny ahy iriko tsy hisy
Fara
Fa mbola hitohy, tsy
Hifankafohy
Dia…
Toa ireny vao niandoha
Isan’andro isan’ora
No hanehoko fitia, na
Maraina na ny hariva
Manina foana malahelo,
Te hifanila hatrany
Tsy hangatsiaka irery
Hilaozan’hafanana
Notànako ny teny, ny
Foko efa nomeko
…Havaoziko ny ‘’ENY’
InterprèteAmbondrona
Paroles ajoutées par nos membresParoles ajoutées par nos membres