Paroles de Aoka Ihany

Poopy
Nandalo teo toa nitady hono ianao
Nidobodoboka ny foko injao
Ho to ihany ve ilay faniriako
Ka ho tia ahy koa ilay olona tiako
Izany izaho toa tsy mandia tany
Ka sady faly no toa te hitomany
Mihovitrovitra ny anaty rehetra
Sao ho nofy ihany izany ka misy fetra
Inona anefa no 'deha antenaiko
Mifendrofendro toa miha-kely ny aiko
Sao sanatria tsy fitiavana akory
Ty antsonao efa tsy mampatory
Nandalo teo toa nitady hono ianao
Nihazakazaka nitady anao
Sao tsy hiverina in-droa ny toa izao
Nisalasala toa manadala
Ahoana raha tsy tia ahy ianao
Inona ary no nitadiavanao
Tsy fombafombanao ny toy izao
Sao zavatra hafa ilainao tafa
Tsy ho any indray aho sao marin'izany
Hahamenatra ahy ny hahita anao hitomany
Ny tsara angamba dia aleo aho mody
Ka manadino anao no fanafody
Nandalo teo toa nitady hono ianao
Inona no hitadiavanao ahy?
InterprètePoopy
LabelABS Bellissima
Paroles ajoutées par nos membres