Paroles de Raha Mila Fanampiana

Mahaleo
34416
Raha mila fanampiana ianao
Ka misy tsy mety ny hatao
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao tena tia anao
Miandry fotsiny miandry pihy maso
Miandry ho kopahin-tanana
Fa vonon-kijoro handresy ny ankaso
Satria izany no tena namana
Raha misy zavamam-pahory
Ka mila tsy ahita tory
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao tena tia
Mahantra sy osa mahantra harena
Nefa kosa tsy tia tena
Fa vonon-kianampy satria tia
Tsy mitady valiny sanatria
Raha matsiaro ireny ianao indray(2)
Na marary nefa tokana iray
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao tena tia
Tsy irery ianao fa misy mahatsiaro
Ka ny halahelo hatsaharo
Fa na ali-mikitroka na oram-baventy
Ho tonga tsy ho ela fa vetivety
Fihavanana tsy ho rava no ho hita ao
Fa madio sy hamairatra foana
Tsarovy aki eh!! fa any ho any
Misy namanao hatrany hatrany (2)
InterprèteMahaleo
LabelBLV
Paroles ajoutées par nos membresParoles ajoutées par nos membres

Les internautes qui ont aimé "Raha Mila Fanampiana" aiment aussi :