Paroles de Alina Mangina

Mahaleo
Lina mamirifiry toa mangatsiaka ny aty
Alina tena mangina mahatsiaro anao mbola tia
Misy fotoana te hiantso aho
Hiantso ny anaranao
Nefa injay toa miseho
Ilay endrikao tena tia
Rahoviana indray vao mba hihaona
Rahoviana ianao vao mba ho avy'
Zaho aty sasatra foana
Sasatra miandriandry anao
Rehefa tonga any ianao
Dia manorata aty
Lazao fa tsy manadino'zany nalavitra aty
Misy fotoana te hiantso aho
Hiantso ny anaranao
Nefa injay toa miseho
Ilay endrikao tena tia Rahoviana indray...
Na mbola ho ela aza izany
Hahitako anao eto indray'
Zao 'aty dia manantena
Fa tsisyvery ilay fitia
Fitiavana iray ho anao sy ho ahy
No efa nomaniko anao
Fitiavana iray mandrakizay
No efa nomaniko an-dry
Rahoviana indray...
InterprèteMahaleo
LabelBLV
Paroles ajoutées par nos membresParoles ajoutées par nos membres

Les internautes qui ont aimé "Alina Mangina" aiment aussi :